Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'i Timote

Toko faha-2

10 Noho izany dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin'ny olom-pinidy, mba hahazoan'izy ireo koa ny famonjena izay ao amin'ny Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra mandrakizay. 11 Teny mahatoky tokoa izao: raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; 12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà azy isika, dia izy koa handà antsika; 13 raha mivadika isika, izy tsy mivadika na oviana na oviana, fa tsy mahazo mandà ny tenany. 14 Ampahatsiarovy ny olona izany, ary anaro eo anatrehan'Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana, satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.

15 Mikeleza aina mba hiseho amin'Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra, sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin'ny teny fahamarinana. 16 Halaviro ireny fibedibedena mandoza ireny, fa mbola handroso ny haratsian'ireny mpanao izany, 17 ary mihinana toy ny fery mihady ny tenany; amin'ireny Himeneo sy Fileto,

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1232